Mofonaina 24 Jona 2023: Sal 31¹-⁸
And.7-8: Hifaly sy ho ravoravo amin’ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Ianao, ka nahafantatra ny fahorian’ny fanahiko, ary tsy mba nangeja ahy teo an-tanan’ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ny malalaka Ianao.
Davida miravo amin’ny Mpamonjy satria namindrany fo ary nafahany.
1-Misaotra noho ny famindrampon’i Jehovah.
Raha miataraina noho ny fahavalo sy ny fandrika samihafa i Davida dia tsy milaza ny tenany ho mendrika na marina. Manana ny fahadisoany maro izy. Ny fahamarinan’i Jehovah no asongadiny eto araka ny vavaka hoe: “vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.” (Aand.1). Tsy misy manondro momba azy fa mampihasinkasina ny momba ILAY MARINA, ka miandry ny fanamarinany. Fanatatsika ny fahadisoana maro efa nataon’i Davida. Miandry ny faminadrampon’ny Tompo Tsitoha izy, miandry ny famelan-keloka avy amin’ny Avo Indrindra. Tsy misy miafinana amin’i Jehovah ny helony, koa izany no hiravoravoany, satria Mpamindra fo Jehovah. Anehoany fisaorana izany toetra miavaka an’ny Ray izany
2-Misaotra noho ny fanafahan’i Jehovah.
Efa hitantsika ombieny ombieny, fa Jehovah mihitsy no nivarotra ny Zanak’Isiraely noho ny otan’ny. Hoy ny Isa.50¹: “…Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo,” Azon’i Jehovah amidy ho babo mihitsy Davida raha tsy nomeny famindrampo. Fa noho ny famindrampo kosa, dia afaka tamin’ny fahavalo ary nampitoetra azy ho malalaka Jehovah. Tena famonjena sy fanafahana sarobidy izany, satria tian’i Jehovah izy. “Olona araka ny fon’i Jehovah” no nanambaran’i Samoela an’i Davida (1Sam.13¹⁴). Imbetsaka no eo an-tànan’ny fahavalo, fa nafahany hatrany. Marina dia marina ny hoe: “…nampitoetra ny tongotro eo amin’ny malalaka Ianao.” Tena afaka ka misaotra ny MPANAFAKA
Ry havana, Mpanindra fo sady Mpanafaka Jehovah ka mendrika isaorana sy ankalazaina ary omem-boninahitra. Tadidio izay soa efa azonao, ka misaotra AZY.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. AmenaNatolotry Ny Avo RavelosonNatolotry Ny Avo RavelosonNatolotry Ny Avo Raveloson
Source
0 Commentaires