Mofonaina 24 Jolay 2023: 1Tant 28¹-⁷
Teny nataon’i Davida amin’ny fanohizana ny asa sy fitohizan’ny fifidianana no eto
1-na Davida aza no nanangona ny ho enti-manao ny tranon’i Jehovah, dia i Solomona no hanao izany. Tohizana ny asa arahana fankatoavana ny didy sy fitsipik’i Jehovah mba hitoeran’ny fanjakany ho mandrakizay. Haintsika tsara, araka ny mofonaina 22/07/23, fa ny anaran’i Jehovah no hitoetra ao. Izany hoe, trano natao hitoriana ny anarany sy hanambarana ny heriny ka hahatonga ny firenena rehetra hitodika amin’i Jehovah ity atao ity. Tsy afa-misaraka amin’ny fankatoavana ny didy sy ny fitsipik’i Jehovah anefa izany. Ny trano dia famantarana ihany fa ny fankatoavana ny lalàny no tena sarobidy.
Fa inona no anton’ny filazana an’i Joda sy ny rain’i Davida (Jese) sy ny tenany ary Solomona eto?
2-mitohy ny fifidianana. Efa voalaza fa amin’ny taranak’i Abrahama no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen 12³). Jereo ny fitohizan’ny fifidianana ao amin’ny Mat 1¹-¹⁷: Abrahama, Isaka, Jakoba, Joda, Fareza, Hezrona, Rama, Aminadaba, Nasona, Salmona, Boaza, Obeda, Jese, Davida, Solomona, Rehoboama, Abia, Asa, Josafata, Jorama, Ozia, Jotama, Ahaza, Hezekia, Manase, Amona, Josia, Jekonia, Sealtiela, Zerobabela, Abihoda, Eliakima, Azora, Zadoka, Akima, Elihoda, Eleazara, Matana, Jakoba, Josefa, Jesoa
Tsy mijanona eo anefa, fa rehefa tonga teo amin’i Jesoa dia mitohy amin’ny Apostoly. Ny Apostoly indray nitory tamin’izao tontolo izao, ka nahatonga ny Fiangonana niorina sy nijoro. Mitohy amintsika izany fifidianana izany, tsy hifarana raha efa tonga Jesoa handray antsika. Raha tsy misy voafidy dia ho foana ny fiarovana sy ny famonjena.
Ry havana,
Ianao no masom-boly ara-panahy ho fanavotana sy famonjena ny hafa. Koa miorena tsara, aza miova. Tontosao ny fitoriana tsy miato, tanteraho ny hazakazaka masina.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source