Mofonaina 21 Mars 2023: Jer 33/1-9.
Jer 33/3: Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. Dikany TOB: Invoque-moi, je te répondrai, je te révélerai de grandes choses, des grandes choses inaccessibles que tu ne connais pas.
Fanazavana:
Miantso= Heb. quara’= crier, proclamer, annoncer, appeler, invoquer, convoquer, inviter.
Mamaly= Heb. ‘anah= répondre, exaucer
Mampiseho zava-dehibe= Heb. nagad= communiquer, révéler.
Rehefa mandinika ireo teny fototra dia azo tsoahana izao fehin-kevitra izao: mivonona hanolotra zavatra sarobidy ho an’ny olony Jehovah Tompon’ny maro. Noho izany manentana IZY ny hiantsoana AZY, ka izay miantso AZY ihany no hahazo io zavatra sarobidy io. Tsotra dia tsotra no hanohanana izany hevitra izany: nisy olona handeha hanao Tafika Masina any antany lavitra. Niteny ny olona iray teo an-tanàna hoe: antsoy aho, ilazao aho rehefa handeha ianareo. Ny iray tonga dia lasa fa tsy niantso. Ny iray kosa niantso ka nahazo tohana ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara.
Antsoy Jehovah fa hanolotra fitahiana ho anao. Antsoy IZY, asao IZY (invite-LUI) fa hafahany ny olanao ary hanao zava-mahagaga aminao IZY.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires