Mofonaina 21 Jona 2023: Asa 28¹-¹⁰
Ny dian’i Paoly Apostoly hotsaraina any Roma no hita eto amin’ny tokoa.27-28, ka vakio manontolo. Fitaovana eo ampelatànan’ny Tsitoha izy, ka na mihatra aza ny loza maro dia mijoro hatrany. Inona izany loza izany, ary inona no nijoroany?
1-ireo loza maro.
Indroa nafindra sambo izy ireo: an’i kapiteny Jolio, an’i Aleksandra. 276 no isan’ny olona tao an-tsambo
-Naharitra 14andro natopatopan’ny tafio-drivodoza Eorakylona. Efa nariana ny entana, fanaka, sakafo sasany hanamaivana ny sambo.
-Efa tsy nihinan-kanina, efa namoy fo. Efa nikasa ny handositra ny matilo, efa nametaka ny gilet de sauvetage.
-Rehefa afaka tamin’ny tafio-drivodoza Eorakylona indray, tonga tao Melita (Malte), dia nikasa hamono ny mpifatotra (gadra) ny matilo.
Ankoatry ny teny amin’ny sambo indray, ny tanàna feno aretina, toa ny rain’i Poplio.
2-izay nijoroan’i Paoly Apostoly.
Tamin’ireny rehetra ireny, Paoly Apostoly olon’afaka dia nijoro hatrany:
-nanatra na tsy nohenoina aza 27¹⁰
-nisehoan’ny Anjelin’ny Tompo fa tsy hisy ho faty na iray aza. Ny sambo sy ny entana no ho Simba. -Nampirisihana ny rehetra hihinan-kanina. Nampatanjaka ny olona rehetra 27²¹-²⁶
-nanipy ny menarana tao anaty afo. Teo indray ny olona tao Malte no nihevitra fa “andriamanitra io”. Mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny 14¹¹
-nanasitrana ny rain’i Poplio voan’ny tazo sy nivalan-drà, nanasitrana olona maro tao amin’ny nosy Malte.
Ireo fijoroana ireo dia tsy maintsy nialohavan’ny fitoriana sy fanambaniana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy. Fijoroana ho vavolombelon’ny herin’ny Filazantsara rahateo izany.
Ry havana,
tsy maintsy mandalo ady isika, tsy maintsy mandalo sedra. Ny anton’izany dia ny ho fanavotana ny hafa. Ny làlan’ny Tsitoha sy ny tanjony tsy azontsika fantarina mialoha. Ny hany atao dia ny manaiky sy manakatò. IZY no antoka, koa mahereza sy mahatanjaha hanavotanao ny hafa.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena


Source