Mofonaina 20 May 2023: Efes 4¹-¹⁰
4³: “mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana”
Andriamanitra miasa ho amin’ny fampiraisana ny Fanahy Masina. Tsy misy afa-tsy io fampiraisana io no asan’ny Fanahy Masina. Tsy mahagaga raha Miverina im-7 ny teny hoe: “iray”. 1-Iray ny tena, 2- iray ny Fanahy, 3- fanantenana iray, 4- iray ny Tompo, 5- iray ny finoana, 6- iray ny batisa, 7-iray Andriamanitra
Raha mitonona ho mpanara-dia an’i Kristy na Kristina isika, nefa te-hihavaka na te-hitokana, dia ny fanahin’i Satana no mitarika antsika fa tsy ny Fanahy Masina.
Raha manohy hatramin’ny an.16 isika dia hahita ny fahasamihafana, kanefa mampiray. Io mampihavaka anao amin’ny hafa io dia natao ho an’ny hafa fa tsy ho anao velively. Raha ny tena na vatana no atao ohatra dia tena tsy mitovy: maso, orona, vava, tànana, tongotra…sans… dia samihafa tanteraka, na bika na tarehy na asa, kanefa tsy miasa ho an’ny tenany, fa ho amin’ny fampiraisana ny tena manontolo na ny rehetra. Ny hafa koa miasa ho anao sy ny tena manontolo. Miombona na miray ao anatin’ny fahasamihafana isika (unité dans la diversité). Samihafa ny volon-koditra, volon-doha, bika aman-tarehy, fisainana, fahalalana…sns… Ianao io dia maningana manerana izao tontolo izao (ADN, empreinte digitale,..etc…). Izy Tompo Andriamanitra mihitsy no anton’izany. Kanefa izany indrindra no hahazoana miray sy miombona, ny fahasamihafana no mampifameno ho amin’ny firaisana.
Hafatra: andeha hibebeka sy hangataka amin’ny Fanahy Masina ka hihavana manomboka izao. Mila mihavana sy mifankatia isika manomboka izao.
Ho annAndriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Source