Mofonaina 20 Jolay 2023: Asa 9¹⁰-¹⁸
And.15-16: “Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako… fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.”
Taorian’ny fiovam-po i Saoly lasa Paoly no nitenann’i Jesoa tamin’i Ananiasy hampahiratra azy. Taorian’izay dia nitory an’i Jesoa hatrany i Paoly. Ho fitoriana AZY anefa, tsy maintsy nahafoy izay tombotsoa ara-nofo rehetra i Paoly ary niaritra fahoriana mafy.
1-NAFOINY NY TOMBOTSOA ARA-NOFO REHETRA.
Vakio ny Filip 3⁴-¹¹. Nanana izay maha-izy azy sady azo ireharehana fatratra i Paoly. Saingy tsy maintsy nafoy izany, natao taimboraka, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.
-Maha-Jiosy. Nizara roa izao tontolo izao: Jiosy sy Jentilisa. Very ny Jentilisa fa ny Jiosy no marina ka voavonjy.
-Fariseo. Jiosy ambony. Araka ny lalàna dia manana ny tsy fetezana ho diso (immunité) fa marina dia marina tsy azo kianina.
-Zo Romana (citoyen romain). Mitovy amin’ny citoyen français amintsika Malagasy ankehitriny. Tsy novidiana vola na tamby hafa, fa efa nananany hatry fony vao teraka (Asa 22²⁵-²⁹). Fa naleon’i Paoly citoyen céleste toy izay citoyen terrestre.
2-NIARETANY NY FAHORIANA MAFY.
Tsy ho voatanisa eto ny fahoriany. Ampahany no hotanisaina. Vakio ny 2Kor 11²³-²⁷.
-NOKAPOHINA: kapoka niafara tamin’ny gadra. Asa 16¹⁹-²⁴, 21³¹-³⁶
NOTORAHAM-BATO. Rehefa tsy zakan’ny olona ny fahamarinana (Jesoa) notoriny, dia notorahana vato. Noheveriny ho maty ka notarihana teny ivelany, hay tsy maty (Asa 14¹⁹-²⁰)
-VAKY SAMBO. Tsy maintsy nandeha sambo tamin’ny fitoriana, tsy maintsy nandeha sambo hotsaraina any Roma. Kanefa na io farany io aza, nomen’i Jesoa fotoana sy olona hitoriana sy hositranina i Paoly (Asa 27)
-NANKAHALAIN’NY JIOSY noho i Jesoa Asa 9²³-²5, 17sns
Afoizo ny tany dia handova ny lanitra ianao
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires