Mofonaina 19 Jona 2023: Lio 4¹⁴-²²
Eto ampiaingana dia mampahatsiahy anao fa mitovy amin’ny mofonaina tamin’ny 25/05/23 ity anio ity. Ny fanamafisana no eto, araka ny tenin’i Jesoa hoe: ” Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” (abd.21)
Inona no tsy maintsy asongadina?
1-Ny “teny”.
Amintsika olombelona dia mandalo ny teny (ny teny mandalo, fa ny soratra no mitoetra). Mandrakariva tsy tsaroantsika akory izay teny naloaky ny vava. Hafa lavitra noho izany ny “teny” amin’Andrialanitra. Diniho indray ny Jao.1: “teny”= Andriamanitra, efa hatramin’ny voalohany indrindra, Mpahary, tsy Iza izany “teny”izany fa Jesoa Ilay tonga nofo. Jesoa no niloaka ny vavan’ny Ray raha nanao hoe: “misia…” sy ny hoe: “aoka ny…” (Gen.). Tsy fiangaviana izany fa fandidiana (impératif). Koa raha vao nivoaka ny vavan’ny Ray ny “teny” dia tanteraka izay nolazaina.
2-ny vokatry ny “teny”.
Maro ny vokatra raha manaiky sy manakatò ILAY TENY TONGA NOFO isika. Ireto no voalaza fa tanteraka androany:
-teny soa mahafaly na vaovao mahafaly na Filazantsara. Voavela heloka ka tafaverina ao Edena.
-voavaha amin’ny famatoran’i Satana
-rehefa voavela heloka dia nahiratara ny maso, ohatran’i Bartimeo (Mar.10⁴⁶-⁵²)
-fanafahana ny ampahoriana na ny andevo na ny zana-tany, ohatra ny Zanak’Isiraely tany Egypta sy Babylona
-fanomezana taona fankasitrahana na taom-pifaliana
HAFATRA :
Fantatrao ve ny dikan’ny androany? Androany= talohan’izao ora sy minitra ary segondra itenenana azy izao. Mifanohitra amin’ny anio, izay manomboka amin’izao ora sy minitra ary segondra hitenenana aminao izao. (androany= temps passé, anio= futur proche)
Koa raha mino sy manakatò ny “teny” ianao dia “efa” afaka. “Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; …ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jao 8³¹-³²). Ny “teny” no vahaolalana amin’ny fiainanao manontolo na ny ankehitriny, indrindra ny ho avy.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires