Mofonaina 17 Août 2023: Eks 1¹⁵-²¹
Ny mino tsy maintsy manakatò ny didin’i Jehovah.
1-Baikon’i Farao mpanjakan’i Egypta: vonoy ny zazalahy rehetra.
Rehefa hitan’i Farao fa nihamaro ny Zanak’Isiraely dia natahotra izy sao ireo vahiny ireo indray no hanapaka ny Egyptiana. Noho izany, nandidy ny mpampivelona (sage femme) izy ka nanao hoe: “Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.” (and.16).
Inona no anton’ny baiko? Mora no mandresy ny vehivavy. Fa ankoatr’izay, azon’ny lehilahy Egyptiana alaina ho vady ireo rehefa tsy misy lehilahy Hebreo, ka azony atao amin’izay itiavany azy. Hita taratra amin’izao ny fitiavantenan’i Farao. Foana tanteraka ny hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Mat 22³⁹).
2-Baikon’i Jehovah Andriamanitra : aza mamono olona.
Tsara indrindra ny matahotra an’i Jehovah Andriamanitra noho ny matahotra olona. Hita taratra tamin’izy roa vavy mpampivelona izany: “Nefa natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ny mpanjakan’i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.” (and.17).
Ny hoe :”aza mamono olona”, didy faha-6 araka ny Eks 20, tsy hoe tao Sinay vao fantatra. Fanamafisana ihany izany, fa efa niainana hatry ny ela ny tsy famonoana olona. Porofon’izany izy mirahavavy mpampivelona ireto. Na dia ho faty aza, vokatry ny tsy fankatoavana ny tenin’i Farao, dia notanterahana ny didin’i Jehovah. Izany fankatoavana ny didin’i Jehovah izany koa anefa no nitahian’i Jehovah azy ireo ka nahazoany zanaka: “Ary tamin’izany, satria natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’Andriamanitra zanaka izy.” (and.21)
HAFATRA :
Ny mino tsy maintsy mankatò sady matahotra an’i Jehovah. Izany tahotra sy fankatoavana AZY izany irery ihany no loharanon’ny fahasoavana sy fitahiana. Koa tandremo ny didin’i Jehovah. Fitiavana no fototra, araka ny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Mat 22³⁹).
Ho AZY irery ny voninahitra. AMENA

Source