Mofonaina 16 May 2023: 1Sam 16¹⁴-²³
Foto-kevitra lehibe: rehefa miala ny Fanahy tsara tsy maintsy miditra ny fanahy ratsy. Ny hany vahaolana dia ny asan’ny FANAHY MASINA IZAY ANDRIAMANITRA MIASA. Ny asany irery no hahatanteraka asa maro.
16¹⁸: Dia namaly ny anankiray amin’ny zatovony ka nanao hoe:
Indro, ny anankiray amin’ny zanak’i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
Davida mpitendry feno ny Fanahin’i Jehivah (16¹³), ka namelombelona an’i Saoly sy nanasitrana azy tamin’ny fanesorana ny fanahy ratsy.
Raha mamaky ny toko.17 ianao dia hahita an’i Davida nandresy an’i Goliata noho ny herin’ny Fanahy Masina. Toko.18 mbola i Davida mpiady mahery ka nahatonga ny vehivavy nandihy sy nihoby hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, fa Davida kosa nahafaty alinalina. Hitanao izay lahateny sy tononkira maro fiderana an’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny boky Salamo.
HAFATRA: aza manao na inona na inona raha tsy mbola nangataka ny Fanahy Masina. Rehefa feno ny Fanahin’i Jehovah ianao, dia izay làlana itondrany anao aleha, izay baiko tanterahana, izay asainy tenenina lazaina. Na hisy loza aza, mahereza fa homba anao IZY, tahaka ny nombany an’i Davida (16¹⁸).
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source