Mofonaina 15 Jona 2023: Sal 91¹-¹⁶
Salamo isan’izany mampiravo sy mampisaotra ny Tompo Tsitoha ity Salamo ity Maro no antony, fa izao ihany no hambarako anao: ny loza tsy maintsy misy hatrany, fa ao AMINY irery no misy vahaolana.
1-NY LOZA. Maro dia maro izy ireo:
-fandriky ny fahavalo: toa tsara sy manodoka, kanefa fahafatesana no tsy maintsy setriny.
-areti-mandoza sy mandringana: sarotra dia sarotra ny miala aminy
-horohoro (horohorontany): vao mainka sarotra noho ny areti-mandringana
-zana-tsipìka: tsy hita ny mpandefa azy. Maty izay voa
-vato manafintohina: saro-pantarina
-biby masiaka sady lian-drà (liona, vipera): sarotra andosirana
Ampahany ihany ireo voatanisa ireo, fa maro tsy tambo hotononina izy ireny, arakaraky ny toerana sy izay maha-ianao anao koa ny fahavalo. Ka inona no vahaolana?
2-NY VAHAOLANA. Tokana no vahaolana omena anao eto: mitoetra na monina ao amin’ny Tompo Tsitoha. Ny matoanteny hebreo “yashab” dia midika hoe mitoetra ampilaminana tahaka ny voromailala ao anaty trano voarakitra tsara, sarotra dia sarotra amin’ny fahavalo ny hanafika azy. Mihoatra lavitra noho izany ianao raha monina na mitoetra ao amin’ny Tsitoha. Tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy haharombaka anao. Hoy Jesoa: “Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako.” (Jao 10²⁸).
Tsarovy ireto fampanantenana ireto:
-hamonjy IZY (hanafaka anao amin’ny loza)
-hanandratra IZY, hanome voninahitra
-hanome tombon’andro IZY (bonus de temps à vivre)
Noho izany, aza mitady toerana-kafa na fiarovana amin’ny hafa. Ampy ho antsika Jesoa.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source