Mofonaina 14 Sept 2023: Sal 96¹-¹⁰
Akaiky ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika. Samy mandoka sy manandratra izay nanome tombotsoa ho azy ny tsirairay. Tsy hitsitsiana na inona na inona.
Fa misy mampalahelo koa amin’izy ireny: izay notohanany teo aloha dia alany baraka ankehitriny, izay nalany araka teo aloha dia omeny voninahitra ankehitriny. Fitondra tsy maharitra no an’ireny, na iza na iza no ho lany eo.
Fa eto kosa, dia ambara aminao, “fa Jehovah no Mpanjaka” (and.10)
1.Fanjakana tsy nindramina.
Mindrana fahefana amin’ny vahoaka ny mpitondra. Ny fahefana na ny fanjakan’i Jehovah Tompon’ny maro kosa dia efa AZY hatry ny fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao, AZY mandrak’ankehitriny, ary ho AZY mandrakizay. IZY no nahary ny lanitra sy ny tany. IZY no Tompony. Fandrombaham-pahefana (usurpation de pouvoir) no nataon’i Satana ka itaomany izay manaiky azy handà an’i Jehovah. Kanefa tsy tsy mahaongotra ny fanjakana eo an-tànan’i Jehovah ilay ratsy. Mbola Mpanjaka Jehovah, ary Mpanjaka mandrakizay. Tena marina ny fanambaran’ny anjely hoe: “ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lio 1³³)
2.Fanjakan’ny fahamarinana.
Ny fanjakany misy ankehitriny dia anjakan’ny tsy fahamarinana. Fa ny fanjakan’i Jehovah tompon’ny maro kosa dia tsy misy afa-tsy fahamarinana. Tsy “palais de la justice” ny AZY, fa “PALAIS DE LA VÉRITÉ”. Izany no ilazan’ny mpanao Salamo hoe: “…Hitsara ny olona amin’ny fahamarinana Izy.” (and.10d). Ahoana izany?
Ny mpitsara rehetra eto an-tany dia tsy misy nanatrika ny tranga entina hotsarainy. Miankina amin’izay reny, fa tsy natrehany, no amoahany didim-pitsarana. Fa Jehovah kosa nanatrika, nahita maso, nandre ny tranga rehetra (Dieu Omniprésent). Efa voarakitra antsoratra sy voatahiry feo avokoa izay momba ahy sy ianao. Didim-pitsarana sisa no avoaka.
Koa mibebaha, raiso ny famonjeny, manomeza voninahitra AZY, ambarao fa IZY irery no MPANJAKA MARINA.
Ho AZY ny voninahitra. Amena

Source