Mofonaina 13 May 2023: Asa 7⁵⁴-⁶⁰
Stefana (Gr.Stephan)= couronne, diadème na satro-boninahitra.
Tsy voninahitra mandalo sy miserana no hita amin’ny tantaran’i Stefana, fa voninahitry ny lanitra. Vakio manontolo ny (Asa 6⁸_7⁶⁰) dia ho fantatrao ny asan’ny Fanahy Masina.
7⁵⁴: tezitra sady romotra noho ny fanambarana ny fahamarinana nataon’i Stefana izy ireo (synagogan’ny firenena samihafa Asa.6⁹, mpisoronabe Asa.7¹). Efa nambaran’ny 1Jao.4⁶ fa izay tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ny devoly dia tsy hihaino ny marina. Koa tsy gaga ianao raha romotra noho ny fahamarinana izy ireo. Izay rehetra manambara ny marina dia gadraina, na vonoina tahaka an’i Stefana.
Fa Stefana kosa hafa noho izany:
6¹⁰: feno ny Fanahy ka nanambara ny marina, 6¹⁵: feno ny famirapiratana toy ny anjelin’i Jehovah, 7⁵⁵: feno ny Fanahy Masina ka mahita ny Ray sy ny Zanaka ary ny voninahitra tsy mety simba, 7⁵⁹: tsy nihorohoro manoloana ny fahafatesana ka nanolotra ny fanahiny ho an’i Jesoa Tompo, 7⁶⁰: mangataka famelankeloka ho an’ny mpamono azy, an’isan’izany i Paoly Apostoly na Saoly taloha (7⁵⁸, 8¹). Tena nanahaka an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana izy (Lio 23³⁴). Tsy herin’ny nofo anefa izany, fa herin’ny Fanahy Masina.
Miarahaba anao izay manana anarana Stefana na Ra.Stefa. Miarahaba antsika kristiana, fa mitafy ny voninahitra tsy ho lo na ho simba isika. Tandremo anefa, sao tanteraka aminao ny ohapitenenana hoe: ny anarana mampody mandry, fa ny toetra mampiverina ny làlana. Ny anarana tsara, fa ny toetra ratsy no heviny. Miantso anao handray ny Fanahy Masina, dia hahajoro tahaka an’i Stefana ianao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires