Mofonaina 12 May 2023: 1Jao 4¹-³
Ny fanahy ratsy na tsy avy amin’i Jehovah Andriamanitra dia mitaona ny olona hiala amin’i Jesoa Kristy sady handà an’i Jesoa Kristy tsy ho Tompo. Samy manana fanahy na Satana, na Jehovah Andriamanitra. Ny fanahin’i Satana na ny devoly no antsoina hoe : fanahin’ny antikristy na fanahin’ny fandàvana na fanoherana an’i Kristy. Ny devoly na Satana rahateo, dia ilay fanahy ratsy ratsy izay tao an-danitra ka navarina na nazera ety an-tany araka ny Apok.12. Ireo no mitaona sy mitarika izay rehetra manaiky azy handà an’i Jesoa Kristy, koa mitandrema.
Efa notaomin’ny fanahy ratsin’ny devoky Jesoa , fa tsy voafitaka (Mat 4¹-¹¹), efa notaominy i Petera tamin’ny fandàvana an’i Jesoa (Jao 18¹⁵-²⁷), efa notaominy tamin’ny fitiavam-boninahitra sy fahefana Jakoba sy Jaona (Mar 10³⁷). Soa fa namindrana fo ka narovan’i Jesoa tamin’ny herin’ny Fanahy Masina dia nibebaka. Mbola mitaona hatrany ny fanahin’i Satana. Koa fantatro, izahao toetra Sao voafitaka ianao.
Ahoana no hahafantarana ireo fanahy mpamitaka?
Maro no hahafantarana izany. Tanisaina ireto vitsivitsy ireto: mitonona ho Tompo sy Andriamanitra izy ireo, mpandoka tena ho hany mahavita ny zavatra rehetra, milaza na manambara zavatra tsara nefa sady tsy manao izany no tsy mihaino ny marina, mitaona anao hiverina amin’ny sampy sy ny firongony.
Fa izay tena sarobidy indrindra dia ny fangatahana ny Fanahy Masina. Raha vao feno ny Fanahy Masina ianao, dia miala ny fanahy ratsy rehetra. Feno ny Fanahy i Jaona mpanao batisa ka nahavita ny iraka nampanaovina azy (Lio 1¹⁵)
Maneke ho fenoina ny Fanahy Masina, dia ho mpandresy ianao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Source