Mofonaina 12 Jolay 2023: Deot 7⁶-⁸
FITIAVANA NO ANTON’NY FIDIDIANANA.
And.6: “Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”
Tia ny firenen’i Isiraely Jehovah. Tsy noho ny hamaroana na noho ny hery, fa fitiavana. Fitiavana tsy mila tambiny, fa fitiavana hanolotra sy hizara fahasoavana. Fitiavana mba hanohizana ny fahasoavana ho anao sy ho an’ny hafa, ka ho vavolombelon’ny fahatsaran’i Jehovah Andriamanitrao sy ny heriny.
And.1: firenena fito mahery sy matanjaka lavitra noho ny firenen’ny Isiraely no ho voaroaka mba hahatonga azy ireo handova ny tany. Fanapotofoana ny maha-Andriamanitra Tsitoha an’i Jehovah no antony. Ho porofo manerana izao tontolo izao no nifidianany ny Isiraely. Ho fitaomana ny firenena rehetra ambonin’ny tany tsy hiantehatra amin’ny sampy sy ny sarin-javatra voasokitra fa hifikitra tanteraka amin’i Jehovah Tompon’ny maro. Manamafy izany fotokevitra izany ny and.9 hoe: Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky…
Ianao koa nofidiny. Tsy ny bika na endrika na hery na inona na inona, fa fitiavana. (Ni qualité, ni quantité). Rehefa nifidy anao IZY, dia ho vavolombena ianao fa tsara sady mpanao ny tsara IZY. Tsy maintsy manambara sy mitory ny AMINY ianao. Tsy manao fanekena amin’ny mpanompo sampy, tsy manao fanekena amin’ny andriamani-kafa. Jehovah irery ihany no itokiana sy ianteherana. Raha manakatò izany ianao dia ho henika ny soa sy ny tsara.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source