Mofonaina 11 Sept 2023: Kok 2¹-⁷
1-Kristy no iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
Tsy Jesoa naterak’i Maria, tsy Jesoa taranak’i Joda, fa Jesoa Kristy zanak’Andriamanitra. Tsy Jesoa araka ny nofo, fa Jesoa araka ny Fanahy.
Araka izany, tsy fanambaran’olona no henoina sy ankatoavina, fa ny fanambaran’Andriamanitra araka ny Fanahy. Marina izany araka ny hoe: “fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2Pet 1²⁰-²¹).
Raha te-hahalala izany ianao dia angataho hitoetra ao aminao ny Fanahy Izay Mpianatra, Mpampianatra, Mpisolovava, Moitari-dàlana.
2-Mandehana ao amin’i Kristy.
Raha hitory an’i Kristy ianao dia tsy maintsy mandray AZY aloha. Rehefa ao anatinao IZY, dia izay tiany no tsy maintsy ataonao. Gal 2²⁰: “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko…” IZY no velona ao anatinao, izay itarihany no hizoranao, izay misy AZY no honenanao. Izany no mahamarina ny hoe: “mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.” (and.7)
Ry havana,
An’i Kristy isika. IZY no efa nanavotra antsika ka naha-toy izao antsika. Noho izany, mandehana ka ambarao sy ampahafantaro izay mbola tsy miorina tsara fa Jesoa Kristy irery no antoky ny fanavotana sy famonjena. Homba anao amin’ny asany ny Tompo
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires