Mofonaina 11 Jona 2023: Jao 8¹-¹¹
Ny amin’ilay vehivavy azo nijangajanga no hita eto. Ny tanjon’ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia ny hiampangana an’i Jesoa na hanaiky na handà. Efa ny hamonoana AZY rahateo moa tanjona, noho ny fialonana.
Nahoana?
1-Raha mandà Jesoa dia meloka. Efa imbetsaka IZY no nampianatra ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fijangajangana (Mat 5²⁷-³²). Mamely mafy ny lehilahy, satria na vao mijery vehivavy fotsiny aza ka mieritreritra momba izany, dia nambarany fa efa nijangajanga tamin’ilay vehivavy tampony sahady. Ny tena amam-batana no tsy niray, fa ny fanahy efa voaloto tanteraka. Midika izany fampianarany izany, fa meloka ny lahilahy rehetra.
2-Raha manaiky Jesoa dia meloka. Ny lalàna voarakitra ao amin’ny Deot 22²²-²⁴ dia manambara fa miaraka toraham-bato izy roa (lehilahy sy vehivavy). Noho izany, voampanga ho mitanila, raha manaiky ny hitoraham-bato Ilay vehivavy irery. Ny soratra nosoratany tamin’ny rantsa-tànany teo amin’ny tany, hono, dia ny hoe: “aiza ilay lehilahy? Nahoana no ilay vehivavy ihany no nentinareoeti? Iza no nijangajanga niaraka tamin’io vehivavy io?”
Koa sady tsy nanao eny Jesoa no tsy nanao tsia. Izay tsy nanota (parfait) no aoka hitora-bato azy voalohany. Rehefa vita ny an’ilay parfait vao mitoraka ny rehetra. Voaporofo eto fa mpanota (imparfait) avokoa izy rehetra, satria niala ny zokinjokiny (imparfait), vao mainka ny zandrinjandriny izay mihoatra lavitra noho ny teo aloha. Marina amin’ny olona rehetra ilay hoe: ohatran’ialahy ihany izaho. Jesoa irery no hany marina amin’ny lehilahy arivo na lehilahy rehetra (Mpi.T 7²⁸)
Jesoa kosa efa tsy nanameloka, tsy manameloka ary tsy hanameloka. Na efa vita aza ny fandatsahana ny ràny ho famelan-keloka antsika, dia mbola mifona ho antsika ankehitriny.
Ekeo ny hafatra napetrak’i Jesoa tamin’ilay vehivavy voampanga hoe: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.” (and.11)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source