Mofonaina 10 Sept 2023: Mat 4¹²-¹⁷
Samihafa tanteraka ny amin’ny fihevitry ny tany nyfihzvitr’Andriamanitra.
1-Fihevitry ny tany.
Nifarana tamin’ny heriny androany ny Jeux des îles. Izay mpandresy hatrany no nahazo ny loka: alimo, volafotsy ary volamena. Mbola misy koa ny nahazo vola. Izay resy kosa dia niala sy niverina nody tamin’alahelo.
Manamarina izany fa ny tany na ny olona dia mijery ireto: mahery, matanjaka, manam-bola sy harena, mahay, tsara bika, avo razana, taranaky ny ambony, tanivo…sns… Izay toy izany hatrany no mahazo sitraka sy tombotsoa.
Hafa lavitra noho izany ny an’Adriamanitra.
2-Fihevitr’Andriamanitra.
12 no taranak’i Jakoba. Zebolona no faralahy tamin’ny naterak’i Léa, Naftaly kosa ho an’ny naterak’i Bila andevovin-dRahely. Izy roalahy dia tsy mba nanana anjara toerana tanivo fa tany antsisiny. Tsy gaga isika amin’ny teny hoe: “Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny jentilisa” (and.15).
Tsy mba nanana izay nampihavaka azy izy roalahy, tsy mba loharanon’ny famonjena tahaka an’i Joda, tsy mba mpisorona tahaka an’i Levy…sns… Any amin’ny faritany maizina indray no monina.
Raha vao tonga nitory ny famonjena anefa Jesoa, dia tany no nalehany voalaohany. Hoy Isaia: “Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana” (Mat 4¹⁶, Isa 8²³, 9¹). Izay nataon’ny olona ho tsinontsinona no nahamaika sy nahadodona an’i Jesoa. Izay tsy misy lanjany sy tsy misy vidiny no lohalarana taminy. Izay tao amin’ny fahafatesana no novelominy.
HAFATRA
Ianao ve no tsy tian’ny olona ho jerena? maharikoriko ny fiarahamonina? Any amin’ny haizina aloky ny fahafatesana ? Mitrakà, mijoroa, miorena tsara. Ianao no lohalarana amin’ny asam-pamonjena amin’iJesoa Kristy.
Handeha hitory ve ianao ka mila TOMBOTSOA na voninahitra? Miverena fa diso ianao. Ho an’ny itoriana fa tsy ho anao.
Amena
Source
0 Commentaires