Mofonaina 10 May 2023: Jao 14²⁵-²⁶
Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. (Grika: Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava)
Ny Fanahy Masina no hany Mpampianatra afaka hisolo an’i Jesoa Kristy. IZY no mandimby an’i Jesoa. Tsy hampianatra zavatra vaovao akory, fa izay efa nampianarin’i Jesoa ihany no hampahatsiaroviny antsika.
Manamafy ny fotokevitry ny Trinité na ny maha-TELO IZAY IRAY izany. Ny RAY sy ny ZANAKA ary ny FANAHY dia IRAY IHANY. Efa niara-niasa tamin’ny fahariana: Jehovah Ray no Mpahary, Jesoa no Teny niloaka ny vavan’ny Ray toy ny hoe : ” Misia…”, ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. (Gen.1)
Efa hitantsika ny asan’ny Fanahy Masina tamin’ny Eks 35³⁰-³⁵ tao amin’ny Bezalila sy oholiaba. Anio dia fanamafisana fa hampianatra sy hampahatsiaro izay efa nolazain’i Jesoa.
HAFATRA : raha misy mampianatra ka mifanohitra amin’izany dia tsy avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy tokony hihaino fotsiny izay lazain’izay mitory isika, fa tsy maintsy mandinika ny Baiboly manontolo. Ekeo ny fanambaran’ny Jaona hoe: “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” (1Jao 4¹)
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source