Mofonaina 10 Jan 2023: Ohab 8²²-³⁶
Ny Ohab.8 no manambara ny momba ny “Fahendrena”, Izay tsy hevitra fotsiny, fa miseho ho olona (personnifié). Tsy Iza no “Fahendrena” fa Jesoa. Ny fiantsoan’i Jesoa, sy ny fahatsarany no lohahevitra. Fa inona kosa no hevi-dehibe amin’ity mofonaina ity?
1.Jesoa no VOALOHANY (and.22-26). IZY no fiandohana, IZY no ALFA (Apok.1⁸, 21⁶, 22¹³). Talohan’izao rehetra izao IZY. Miverina in-6 ny Teny hoe:”fony tsy mbola…” izay milaza fa efa nisy IZY talohan’ny rehetra. Manamafy izany ny fanekem-pinoana.II hoe: “Ary an’i Jesoa Kristy Tompo iray, Zanaka lahy tokan’Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’izao rehetra izao,..”
2.Jesoa no niaraka tamin’ny Ray tamin’ny fahariana izao rehetra izao. Vakio tsara and.27-29 fa miverimberina ny hoe: “raha nam…” izay mifamatotra amin’ny and.30, ilazana an’i Jesoa ho mpità-marika (Grand Architect) teo anilan’ny Ray. Araka izany, IZY ILAY “TENY” naloaky ny vavan’ny Ray hoe “misia…” (Gen.1, Jao.1¹-⁵). Averina indray, fa raha tsy noho IZY, tsy nisy izao rehetra izao.
3.Jesoa manamafy ny antso (and.32-36). Efa hatramin’ny and.1 ny antso. Amafisiny indray izany eto. Izay mihaino, mankatò, mino an’i Jesoa no ho sambatra. Ny fanekena hanara-dia AZY no hahitana ny fiainana, fa ny fandavana AZY dia fahafatesana faharoa.
HAFATRA : tsy ny hita maso ihany no noharian’i Jesoa. Manomana lanitra sy tany vaovao ho antsika IZY (Jao.14¹-⁶, Apok.21-22⁵). Sarobidy AMINY izaho sy ianao. Koa aoka ho Hendry, ka hihaino AZY mandrakariva.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source