Mofonaina 10 Août 2023: 2Mpanj 6¹⁴-²⁰
Ny mpanjakan’i Syria te-handringana ny Isiraely no eto, kanefa tsy nahavita noho ny fahafantaran’i Elisa na dia ny resaka ataony aza (and.12). Noho izany, izay misy an’i Elisa no notadiavina mba handringanana azy aloha vao ny Isiraely. Koa rehefa fantany fa tao Dotana Elisa dia naniraka miaramila maro sy soavaly ary kalesy ny mpanjakan’i Syria hanafika azy. Indrisy anefa, tsy tanteraka izany, satria ny momba an’i Elisa be lavitra noho ny azy sady kalesy afo. Dia Elisa no nitondra azy ireo ho any amin’ny mpanjakan’ny Isiraely. Tsy nandringana anefa fa nanome sakafo. Tanteraka eto ny hoe: “Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany” (Rom 12²⁰).
Rehefa namaky ity mofonaina ity aho dia nahatsiaro ny tantaran’ilay vehivavy Amerikana ao amin’ilay boky nosoratan’i Rebecca BROWN hoe: IL EST VENU LIBERER LES CAPTIFS.
Toy izao ilay tantara: mpamosavy ravehivavy nefa koa mampianatra Sekoly Alahady, mba hitaona ny zaza ho an’i Satana. Nisondrotra grady hatrany izy amin’ny maha-mpamosavy azy tao amin’ny fikambanana firahalahiana. Farany dia IZY no vady voalohan’i Satana ka nitarika ny fivoriana iraisam-pirenena. Fa nahazo baiko tamin’i Satana koa izy hanafika Kristiana. Nitondra olo-maro izy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Gaga anefa IZY: Anjelin’i Jehovah maro dia maro, mifampitohoka ny sorony, no manodidina ny tanàna nisy ilay kristiana. Izay nalefa rehetra na vato na bala na projectiles dia notatazan’ny anjely tamin’ny tànany. Niala marina ny anao vavy. Io no nampiova fo azy ka nialany tamin’ilay fikambanana ka nanarahany an’i Jesoa Kristy, ary itaomany anao.
Hay tsy tamin’ny andron’i Elisa ihany ny fombana ny olon’i Jehovah, fa mandrak’ankehitriny. Minoa fa tsy miova ny teniny hoe: “…indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo” (Mat 20²⁰)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source