Mofonaina 1 Août 2023: Rom 11¹³-²¹
Miova lohahevitra vaovao isika: mijoroa amin’ny finoana.
Paoly Apostolin’ny Jentilisa no manoratra ho an’ny Fiangonana any Roma. Fintinina ny boky Romana: heverina ho Filazantsara nosoratan’i Paoly. Ny 1-11 dia mampianatra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny famonjena, izay mino no voavonjy. Tsy ny lalàna izay nitokian’ny Jiosy fa finoana. Voaporofo eto amin’ny mofonaina anio izany
Ny kisarisary an’ohatra ataon’i Paoly eto dia ny “grefy” (greffe). Jesoa Kristy no fototra na OLIVA TENA IZY. Ny Jentilisa kosa no oliva maniry ho azy, tsy tena oliva izany. Noho ny fitiavany ny Jentilisa sy ny tsy finoan’ny Jiosy azy dia izao no nitranga:
Ny Jiosy tena sampana tamin’ny oliva tena izy dia notapahina. Na dia nomena ny tsiro rehetra avy tao amin’ny faka aza (fahasoavana sy fanavotana ary fanamarinana maimaimpoana) dia tsy namoa voa tsara. Fandavana tanteraka no niainany fa tsy finoana. Noho izany, notapahina, nesorina.
Tsy nanaiky ny tena oliva raha tsy nasiana solony ilay nesorina. Koa ny toerana nanesorana ny Jiosy no nanatsofohana ny Jentilisa. Marina izany araka ny and.15 hoe: “Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ny maty ny fandraisana azy?” Nariana ny Jiosy fa noraisina ny Jentilisa. Rehefa noraisina ny Jentilisa dia tsy mahaleo tena, tsy mahavelotena. Ny tsiro avy amin’ny fakan’oliva no ivelomany. Ary rehefa nivelona tamin’izany dia niova koa ny voa nivoaka avy tamin’io sampana natsofoka na natao grefy io. Tsara lavitra noho ny teo aloha ny voa avy aminy, satria tsiro hafa noho izay niainany taloha no mamelona azy.
Ny firaisan’ny mino amin’i Jesoa izany dia manova tanteraka azy sy izay vokatra vaovao avy ao aminy. Mitondra voa fotsiny izy, fa Jesoa no mamelona sy mampahavokatra.
Ry havana,
Tsy mahaleo tena isika sampana vao natsofoka. Ny firaisana amin’i Jesoa no hahavelomana sy hitondrana voa, araka nyJao 15⁵. Jehovah no ataovy rehareha (2Kor 10¹⁷)
Ho AZY ny voninahitra.
Source
0 Commentaires