(Sal 40.1-5 / Hira l75.1.4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira177.4)

Mpitsara 3.7-11

Ny anton’ny famaizan’ Andriamanitra

1- Vokatry ny fanompoan-tsampy.

Masina ny Tompo Andriamanitra, ary tiany ho masina tahaka Azy koa ny vahoakany. Mahasaro-piaro Azy ny fanompoan-tsampy, ka mahatonga ny fahatezerany mirehitra. Nony maty i Josoa dia niverina nanompo sampy indray ny Israelita. « Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha (and. 7). Nofaizin’Andriamanitra izy ireo noho izany ka navelany hampijalian’ny mpanjaka jentilisa izay sady ratsy fanahy no tsy matahotra an’Andriamanitra (and.8). Voalaza fa naharitra valo taona ny faharetan’izany fampahoriana izany. Avelany hanjaka sy hanan-kery ny fampijaliana sy ny fampahoriana ataon’ny firenen-kafa rehefa minia manadino sy mihodina Aminy ny vahoakany. mandra-pahatsiarovany hibebaka ka hiverina hanompo Azy.

2- Fampiverenana Aminy

Noho ny fahoriany dia nahatsiaro an’i Jehovah ny Israelita ka nifona sy nitaraina taminy. « Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak Isiraely, izay namonjy azy… »(and. 9). Naneho ny famindrampony Andriamanitra ka niantso an’i Otniela hanafaka ny vahoaka. Ny Fanahin’i Jehovah izay nirotsaka taminy no nahafahany nanateraka ny asa nankinina taminy. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia Jesoa Kristy no hanafaka antsika amin’ny fahavoazana rehetra. Izy no voahosotr’ Andriamanitra hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ka hananantsika fiainana feno fiadanana mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona avy ny karazana fanompoan-tsampy fantatrao. Inona no voka-dratsy aterak’ izany eo amin’ny fiainan’ny olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe