(Sal 121 / HF1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 268)
Matio 18, 15-20
Ny fomba atao manoloana ny disadisa
1- Firesahana mivantana
« Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy » (and 15). Ny mahazatra antsika dia izay nanao fahadisoana no manatona miala tsiny. Eo amin’ny sehatry ny Fiangonana kosa dia izay mihevitra ho niharan’ny tsy rariny no manatona izay nanota. Toy izay nataon’i Jesoa, Izy no nidina tety amintsika, nanatona antsika. Ilaina ny firesahana manokana amin’izay heverina fa nanao fahadisoana. Manana zo hitondra fanazavana ny olona fa voasoratra hoe: « Moa manameloka olona va ny lalanantsika raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony » (Jao 7, 51). Zava-dehibe tokoa ny dinika.
2- Fitondrana vavolombelona
« Fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa » (and 16). Ny vavolombelona dia izay nahita sy nahare ary nanatri-maso ny zava-misy. Rehefa avy niresaka manokana amin’ilay olona aloha vao maka olona fanampiny handresy lahatra azy indray. Tsara raha vavolombelona manana fahendrena, mpamaha olana hampiaiky ny mpanota no entina fa tsy sanatria vavolombelona mitanila, ka vao mainka hanampy trotraka ny olana misy. Ny tolo-tsaina avy amin’ny Tompo eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no tsy mba mamitaka antsika.
3- Fandraisana andraikitry ny fiangonana
« Ary raha tsy mihaino ireo izy dia ambarao amin’ny Fiangonana » (and 17). Misy ny paikan-damina efa voafaritra momba izany izay voarakitra ao amin’ny fitsipika. Mandalo dingana vitsivitsy izy io.
Fanontaniana :
Iza avy ireo manana adraikitra hitondra vahaolana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires