Asan’ny Apôstôly 4,13-22
Miavaka ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy
Na dia nadinina sy nosakanana tsy hanao ny asa nanirahan’i Jesoa Kristy azy intsony aza i Petera sy Jaona dia nijoro sy niteny tamim-pahasahiana sy nitory an’i Jesoa Kristy izy ireo sady nanasitrana ilay lehilahy malemy (Asa.3).
1-Mahavita asa mahagaga
Resy lahatra ny olona rehetra fa asa miavaka ny asa notanterahan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy : asa mitondra fanafahana, fampianarana mandresy lahatra mamelona finoana. Maro ny olona no resy lahatra fa ireo tomponandraikitra teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy kosa vao mainka nanamafy ny fony tsy nety nino sady tsy nety nandray. Tsy nianatra kanefa mahatarika olona, mahavita asa miavaka ny mpianatr’i Jesoa noho ny asan’ny Fanahy Masina izay momba sy mitarika azy.
2-Tsy azo sakanana
«Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo ?» : maneho ny fahefany ireo tomponandraikitra teo amin’ny fiarahamonina Jiosy, mandrahona, manakana ireto mpianatr’i Jesoa. Tsy natahotra, feno fahasahiana anefa ireto mpianatra. Tsy nihemotra satria efa niara-dia tamin’i Kristy, efa nahita ny asany, ny fandreseny ny fahafatesana ary indrindra efa nandray ny Fanahy Masina izay hery nomena azy ireo ho entiny manatanteraka izao asa fanompoana izao. Mazava tsara ny fanambarany ho fankalazany an’i Jesoa Mpamonjy : «Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay».
Fanontaniana:
Lazao ireo toetra mampiavaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM