2 MPANJAKA 23.4-15
Ny fahasahian’i Josia mpanjaka hanapaka tarangana ny fanompoan-tsampy sy ny fahavononany hanarina indray ny fivavahana amin’i Jehovah no vontoarin’ny Mofonaina anio .Mampianatra antsika indrindra izany mba hitandro ny fahamasinan’ny tempolin’Andriamanitra ka :
1-Hanongotra ny haratsiana (and4)
Voalaza eto fa nandidy ny mpanjaka mba « hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny bala sy astarta …ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema … » Mampiharihary amintsika izany fa tsy navela hanana toerana intsony ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy rehetra na izay forongony mifamatotra aminy , satria masina ho an’Andriamanitra ny Tempoliny (voatokana).Tsy ireo ihany fa raha manohy mamaky isika dia hahita fa ny and 6-15 dia mitantara ny nandotoan’i Josia sy ny nanorotoroany ny sampy rehetra .Rehefa tapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra ary dia ialao avokoa ny fanao ratsy taloha fa ireny no « siny hoditra tonta » , tsy azo asiana « divay vaovao » (Mat 9.17) , hoy ny fampianaran’i Jesoa.
2-Hampitsahatra izay tsy mendrika (and5)
« Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ny andriamanitsi-izy ... » hoy ihany ny fitantarana eto , izany hoe : tsy nisalasalan’i Josia mihitsy ny nampitsahatra tamin’ny andraiky ireo maniratsira sy mitaona ny olona ho amin’ny fahotana na dia notendren’ny mpanjaka nodimbiasany aza ireny .Tsy mba nana-tahotra izy .I Jesoa dia nanindry mafy ny maha-fanasina ny mpino , fa raha tonga matsatso , inona indray no hahasira azy ? (Mat 5.13). Ny Fiangonana ihany koa dia tsy tokony ho mati-kenamaso handray fanapahan-kevitra amin’izay mitarika ny olona ho amin’ny làlan-diso na amin’ny fitondran-tenany na amin’ny fomba fiasany .
Fanontaniana :
Inona no tsy hahasahian’ny tomponandraikitra mandray fanapahankevitra hentitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM