Marka 9,38-50
Mampianatra ny Apôstôly i Jesoa eto mba hahaizan’izy ireo manao izay mety amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, ka ambarany mazava eto mba
1- Tsy hifanilikilika
Rehefa nahita olona nandroaka demonia tamin’ny anaran’i Jesoa ny mpianany dia nandrara azy. Ny antony dia satria nihevitra izy ireo fa rehefa tsy miaraka aminy dia tsy an’i Jesoa. Nanava-tena ho hany akaiky an’i Jesoa izy ireo. Fa nitsian’i Jesoa mazava kosa hoe aza maika hanilika foana, na hanosi-bohon-tanana ny hafa. Afaka miasa sy miara-miasa amin’ny olona rehetra ny Tompo. Na izany aza, tsy izay rehetra manonona ny anaran’i Jesoa akory dia Azy. Sao ho voafitaka isika fa fantaro tsara aloha. «Ny voany no hamantarana ny hazo» hoy i Jesoa. Raha an’i Jesoa tokoa ny olona iray dia tsy mahateny ratsy na ankolaka na mivantana an’i Jesoa izy
2- Tsy handratra ny hafa
ami
3-Fa hitandro mandrakariva ny fihavanana
Mamarana ny mofonaina ny hoe « Mihavàna tsara ianareo ». Mazava loatra izany, fa izay iray vala ao amin’i Jesoa dia tsy manan-jo hiady antrano. Baikon’i Jesoa mihitsy tsy hifandramatra na hifankahala fa hahay hifamela sy hifampiresaka kosa satria mariky ny maha mpianatr’iJesoa izany. (Jao.13,15). Sorohy sy aravony izay fifandirana.
Fanontaniana
Sampana Sekoly Alahady FOIBE F.J.K.M.