Apôkalypsy 21:22-27
Mampirisika ny mpino ary mampahery azy haharitra hatramin’ny farany amin’ny finoana ny Apôkalypsy (izay teraka tao anatin’ny fanenjehana mafy ny fivavahana Kristiana), fa izay maharitra no handova ny Jerosalema vaovao. Izany Jerosalema vaovao izany dia :
1. Iarahana miaina amin’Andriamanitra (and.22)
«Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny». Ny hevitr’izany dia hoe tsy misy elanelana intsony eo amin’Andriamanitra sy ny olom-boavonjy fa miara-monina tanteraka. Ny tempoly mantsy dia toerana fanehoana ary noheverina fa onenan’Andriamanitra tety an-tany, fa tsy ho fiheverana fotsiny fa tena hifanatri-tava amin’ny Tompo ny mino, hahita an’Andriamanitra, hiresaka aminy…
2. Mandry fahalemana (and.25)
«Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ny andro». Tamin’ny tontolo tranainy dia hidiana hatrany ny vavahady miditra ao an-tanana mba tsy hahafahan’ny mpanani-bohitra na ny fahavalo miditra ao. Fa ao kosa tsy ilaina intsony izany satria tsy misy loza atahorana intsony, tsy misy fanenjehana sy fangirifiriana hiaretana fa fiadanana no any ! Izay mahazona ny finoany tsy ho fatin’ny fanenjehana no ho any araka ny Tenin’i Jesoa rahateo (Mat.24,13)
3. Tsy misy toeran’ny faharatsiana (and.27)
«Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga…». Tsy tia fahotana ny Tompo, hita ao amin’ny Soratra Masina manontolo izany fa indrindra ny fahavetavetana sy ny lainga. Raiso ary Jesoa ho Tompo. Tano mafy ny finoana. Ialao ny faharatsiana
Fanontaniana
Inona no tokony hatao handovana ny Jerosalema vaovao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM