Mpitsara 3:7-10
I- TSY MENA-MIVADIKA EO IMASON’ANDRIAMANITRA
Hoy no Soratra Masina eto: » Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely« . Fa inona moa ireo ratsy nataony?
1- Nanadino an’i Jehovah izy ireo.
Zava-dratsy sady zava-doza indrindra ny fanadinoana an’i Jehovah. Io no matetika miseho amin’ny olon’Andriamanitra, dia ny fanadinoana. Mora manadino ny olombelona. Jereo ange e!
– Vao avy nahita ireo fahagagana maro tany an’efitra ny Zanak’Isiraely toy ny fiampitana ny ranomasina mena, ny rano avy amin’ny vatolampy, ny mana sy papelika. Saingy adinony avokoa ireny rehetra ireny. Io no fototry ny fahotan’ny Zanak’Isiraely.
– Ianao kosa aza mba manadino an’Andriamanitra Rainao. Tsarovy ireo asa mahagaga nataony teo amin’ny fiainanao ary ataovy mampitombo ny finoanao ireny. Aza ny olana atrehina no ataonao zavadehibe fa ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavany itondrany anao. Mifalia amin izany fitiavany izany ianao.
II- MAMPIREHITRA NY FAHATEZERAN’I JEHOVAH NY FIVADIHANA AMINY.
– Rehefa nivadika nanompo ny Bala sy Aseraha ny Zanak’Isiraely dia nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah. Nalefany ho babo zanatany ny Zanak’Isiraely ka nanjary teo an-tànan’i Kosan-risataima mpanjakan’i Mésopotamie. Matetika dia atolotr’i Jéhovah ho zanatatany ny Zanak’Isiraely isak’izay mihodina Aminy.
– Tsarovy fa manafay sy manasazy Jehovah rehefa mihodina manompo sampy ny olona.
– Ianao koa aza manao izay mahatezitra an’Andriamanitra . Aza miandry kapoka sy sazy avy amin’ Andriamanitra. Aza manadino an’Andriamanitra ianao. Aza manompo sampy ianao. Aza manompo harena sy vola ianao. Manompoa an’i Jehovah irery ihany.
III- MIHAINO NY FITARAINAN’NY OLONA ANDRIAMANITRA.
– Nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ary nanangana mpamonjy ho azy ireo dia OTNIELA .
– Izany no toetran’Andriamanitra: bé famindrampo sady mahari-po Izy. Mpamela heloka Izy ary Andriamanitra mihaino vavaka.
– Rehefa miverina amin’i Jehovah ny olona dia manangana làlam-pamonjena ho an’ny olona Izy.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .Amena
Pasteur Ramamonjiarisoa R.