1Mpanjaka 9,1-9
Toetran’Andriamanitra telo no taratra eto amin’ity mofonaina anio ity, raha ny fifandraisany amin’i Solomona no jerena. Hita eto ary fa Andriamanitra dia :
1 Tsy manalavitra ny mpanompony (and. 2)
«dia niseho tamin’i Solomona indray Jehovah» : Ny teny hoe indray dia maneho fa tsy vao izao akory no efa miara-dalana amin’ny mpanompony Andriamanitra fa efa fanaony izany. Tsy mba mamela irery ny olony Izy fa eo hatrany ary mifandray amin’ny olony. Moa tsy tahaka izany ve ny fanomezan-toky nomen’i Jesoa fa homba ny mino mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ?
2 Tsy manamaivana ny ezaky ny mpanompony (and 3)
«efa nohamasiniko ity trano nataonao ity… ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko». Tena fanehoam-pankasitrahana sy fandrisika izany. Tena zavadehibe amin’i Jehovah loatra ny nataon’ny mpanompony ka mandrakariva dia ao ny masony sy ny fony. Tsy tahaka izany koa ve ny fankasitrahana nasehon’i Jesoa ilay vehivavy nilazany hoe : «Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.» (Mar.14,9)
3 Tsy manafina ny sitrapony amin’ny mpanompony (and.4-9)
Rehefa avy nankasitraka i Jehovah dia manoro ny tokony hataon’i Solomona mba hampaharitra ny fanjakany sy ny taranany, nefa koa nanambara fa ny fankatoavana Azy no andrasany amin’ny vahoakany mba tsy hahafongotra azy amin’ny tany izay nomeny. Tsy mba manao ankinafinafina Jehovah, ambarany mazava ny sitrapony koa mankatoava dia hotahiana, fa raha tsy izany dia ho fongotra sy ho afa-baraka
Fanontaniana : Marina taminao ve ireo toetran’Andriamanitra ireo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM