LIOKA 12.1-7
Izay mijoro amin’ny finoana
1-Aoka tsy hihatsaravelatsihy
Mampitandrina ny mpianany i Jesoa eto mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo dia ny fihatsarambelatsihy mba tsy ho tratran’izany ny fiainany sy ny asa fanompoany .Ny fihatsarambelatsihy mantsy dia fanehoana ho izao na izao , nefa ianao tsy izany tsinona.Toe-panahy tsy tokony ananan’ny mpitory Filazantsara izany . Mampitandrina ny Tompo satria ny fahotana miafina dia mbola hiharihary . Izay atao mangingina ao ambadiky ny varavarana mihidy dia tsy maintsy mbola haseho miharihary ihany koa (and 2,3) .Ny fihatsarambelatsihy dia marika hahafantarana fa tsy matahotra an’Andriamanitra ilay olona , sady tsy manana ny Fanahy Masina ihany koa . Ny fanahin’ny satana no ao aminy .
2-Matahora an’Andriamanitra
Mialohan’ny hisedrana olana amin’ny fahatahorana dia miantso ny mpianatra hoe: « sakaizako » i Jesoa ,izay hanehoana fa sady tena akaiky ny mpianany izy no tia azy ireo koa. Avahan’i Jesoa tsara ny tahotra izay mamatota sy izay manafaka eto .Matahotra ny demonia isika nefa tsy manana hery handefa antsika any amin’ny afobe ireny .Zava-dehibe ny fatahorana izay manana hery handefa antsika any amin’ny afobe rehefa maty dia Andriamanitra .Koa matahora Azy , mijoroa vavolombelona mba ho fianarana ho an’ny hafa satria mpianatry ny Tompo koa isika .
Fanontaniana :
Azo atao ve ny mihatsaravelatsihy eo amin’t fanompoana niantsoan’ny Tompo anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM