MARKA 13.9-13
Ny zavatra hitranga ilàna fiomanana
Efa niseho avokoa ny ankabeazan’ireo zavatra nambaran’i Jesoa mialoha ny fiavian’ny farany ,toy ny fisian’ny mpamitaka ,ny mpaminany sandoka ,ny filazana ady ,ny horohorontany. Ankoatran’izany dia nambarany fa :
1-Ho avy ny fanenjehana (and9)
Nolazain’I Jesoa fa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana mafy ny Apostoly ka hatolotra eo anatrehan’ny Synagoga ,hotsaraina eo anatrehan’ny manam-pahefana sy ny mpanjaka noho ny maha- mpianatr’i Jesoa azy ireo mba hijoroany ho vavolombelona manambara an’I Jesoa eo anatrehany .Ny fanenjehana izay hihatra amin’ireo mpianatr’i Jesoa eo anatrehany .Ny fanenjehana izay hihatra amin’ireo mpianatr’i Jesoa dia tsy hahasakana velively ny fielezan’ny Filazantsara .Ny mifanohitra amin’izany aza no hitranga .Fa arakaraka ny hanenjehana sy hifofoana ny ain’ny mpitory Filazantsara no vao mainka mampiely izany .Tsy verivery foana ny ain’ny mpitory Filazantsara ny fisian’ireo maritiora marobe no toy ny zezika mampiroborobo ny fielezan’ny Filazantsara manerantany .
2-Aoka hanana faharetana (and13)
Izay rehetra manara-dia an’I Jesoa dia ho halan’ny olona rehetra.Hitranga izany fankahalana izany,eny na dia eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana aza.Tsy natao hampatahotra akory ny filazan’I Jesoa izany.Fa vao mainka tokony hanana faharetana. Nambarany mantsy fa raha hiatrika fitsarana izy ireo dia tsy tokony hanana fanahiana ny amin’izay teny holazainy,fa ny Fanahy Masina ,Ilay mpisolovava no hanoro izay fomba hiarovan-tena amin’izany.Ary tsy izany ihany fa nanome toky Izy fa amin’ny farany dia hahazo rariny ny mpino .”Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”(and 13)
Fanontaniana :
Inona no fiomanana tokony hatao raha ho avy ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM