Mika 6.6-8
Ny tena toe-panahy tokony ananan’ny olon’Andriamanitra
1- Dia ny toe-panahy tsy variana amin’ny fombam-pivavahana toa ivelambelany fotsiny fa ny fo feno fitiavana an’Andriamanitra (and 6-7)
Zavatra maha izy ireo vahoaka Jiosy ny fanarahana fombafombam-pivavahana rehefa mivavaka izy ireo. Mety tsara niatombohan’izany fomba izany tamin’ny voalohany, fa taty aoriana dia toa lasa zavatra ivelambelany fotsiny fa tsy misy fahamendrehana. Mihevitra ny olona fa ny fanaovana izany tsy tapaka no tian’ Andriamanitra, ka azo raviravizana amin’ny zavatra atolotra dia ho jamba. Heveriny mitovy amin’ny olombelona koa Andriamanitra ka tsy mahita afa-tsy ny hita ety ivelany. Diso anefa izy.
2- Dia ny toe-panahy tia ny marina sy ny hitsiny ary ny fanetren-tena (and 8)
Ny fanaovana ny marina sy ny hitsiny ary ny fanetren-tena dia finiavana hanaja ny didy folo izay nomena ny Zanak’i Isiraely. Samy manana ny marina ny olona rehetra eto ambonin’ny tany, fa ny marina izay mifototra amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, izay ihany no tena marina. Izay Kristiana koa dia tsy maintsy ho toy izany, tia ny manao ny marina na mafy toy inona aza ny fiainana, tia rariny ary manompo an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena, ka na inona sedraina eo am-panompoana Azy dia mampandefitra ny hambom-po. Tsy mametra-pialana na dia mafy aza ny ady. Hoy mantsy i Jesoa ao amin’ny Marka 8.34 << Raha misy ta hanaraka Ahy. dia aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.>>
Fanontaniana
Amin’izao vidim-piainana sarotra izao, raha lanjain’ny Tompo amin’ny mizana fandanjana ny marina isika, maivan-danja isika sa mavesa-danja?
Sampana Sekoly Alahady Foibe