1 JAONA 3.13-17

Ny fifankatiavana no andresena ny fahafatesana

i Jaona dia mitaona antsika hifankatia amin’ny namantsika ary izany no hamantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo isika .Ny fifankatiavana no handresena ny fahafatesana satria :

1-Efa tafafindra ho amin’ny fiainana isika

iKaina no ohatra ratsy raha namono ny rahalahiny . Mety hitranga koa izany eo amin’ny fiainam-piaraha-monin’ny mpino raha tsy mitandrina.Tsarovy fa efa tafafindra ho amin’ny fiainana ianao .Aza manaiky ho alokalofan’ny fahafatesana intsony . Ampanjakao ny fifankatiavana. Tiavo ny namanao , aoka hanjaka ny fitiavan’i Kristy , fa izany no fiainana. Fa raha mankahala ny rahalahinao ianao dia mbola mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany ary tsy manana fiainana a amin’i Kristy (and 14b)

2-Manolotrra ny ainy hamonjy ny rahalahiny

Jesoa Kristy no ohatra velona eto . Na dia Andriamanitra aza Izy dia naka endrika endrika hita vatana mba hanehoany ny fitiavany ho famonjena antsika . Ny fahavononantsika hizara dia maneho na mitoetra na tsia ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra .Izy no nampianatra antsika amin’ny endrim-pitiavana hamonjy ny hafa (and16). Fa izay rehetra mihirim-belona kanefa manana ihany , ka tsy mamonjy ny rahalahiny dia tsy ao aminy ny fitiavan’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona no fahafatesana teo amin’ny fiainanao no mba efa resinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM