Jaona 13. 12-20
Ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy
1- Mitaky fanetren-tena
«Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (and. 15)
Nanasa ny tongotry ny mpianatra i Jesoa Kristy ho fanehoany fa na dia mpampianatra aza manetry tena eo amin’ny mpianatra. Koa mainka fa ny mpianatra samy mpianatra dia tokony hifanompo tahaka izany. Ary tsy fanompoana ivelany fotsiny ihany, fanompoana manaiky hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Izany ihany koa no takian’i Jesoa Kristy amin’ny mpianany ankehitriny, mila manana fanetren-tena,
mametraka ny hafa ho ambony noho ny tena. Ary tsy izany ihany,manaiky hitia ny hafa ka manaiky hiaritra ny mafy mba ho famonjena hafa. Mpianatr’i Jesoa Kristy hianao .Koa manetre tena ary meteza hitia
ny hafa fa izany no sitrapon’i Jesoa Kristy ho antsika.
2- Mitaky fiankinana Aminy
«Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. » (and.17).Nambaran’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra fa tsy lehibe noho Izy ireto mpianatra ireto. Ka izay rehetra niainany dia iainan’izy ireo ihany koa fanenjehana, fihazonana ny tenin’ Andriamanitra, ary indrindra tsy mahazo matoky tena fa miankina mandrakariva amin’ny mpampianatra. Jesoa Kristy izany mpampianatra izany. Raha manao
izany ny mpianatra dia sambatra. Toy izany koa isika ankehitriny,mitondra fahasambarana ho an’ny mpino an’i Kristy ny miaina ny finoana amin’ny fahatokiana Azy. Mety miatrika olana, ady sarotra,fanenjehana, eny, fahoriana ianao mandritry ny fanompoana ,kanefa matokia an’i Jesoa Kristy, miankina Aminy fa tsy hamela anao ho irery Izy fa hamonjy anao.
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny fanetren-tena araka an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM