JAONA 14.1-4
Miomana handray ny Tompo
« Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko , ka izay itoerako no hitoeranareo koa » (Jao 14.3)
- Fa efa manomana toerana ho anao Izy
And 3a “ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho”. Araka ny voalaza teo aloha dia ao an-tranon’ny Rainy no misy io toerana io . Ao an-tranon’ny Rainy , kanefa tsy ho Azy ihany fa ho anao koa. Foiny omena anao ny anjarany ao an-tranon’ny Rainy .Tsy tolorany fotsiny fa Izy mihitsy no hikarakara ny toeranao , hanamboatra izay mety aminao .Tonga toy ny zanaka isika . ”Ary raha zanaka dia mpandova , eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’I Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manamboninahitra Aminy koa “( Rom 8.17)
2-Ka efa vonona hanaraka azy ve ianao ?
“Ho avy indray”: io no fomba ilazan’ny Tompo ny amin’ny fiaviany indray .Araka ny fanekem-pinoantsika hoe: ho avy hitsara ny velona sy ny maty .Ny fahavononana dia manomboka anio . Diniho tsara izay ambaran’I Paoly ny amin’izany fahatongavan’ny Tompo izany :”…isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka , dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika “(I Tes 4.17) .Raha tsy miakatra hitsena Azy ianao dia efa tsy Azy .Fa sao lany andto manamboatra fitoerana Izy , kanefa isika tsy misy ho any ?
Fanontaniana:
Inona avy ireo fiomanana efa nataonao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM