JEREMIA 11.18-23
Ny Mpanompon’Andriamanitra

1-Dia mety asian’olona ratsy (and 18-19)
« …Ary fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy .Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ny voany , ary hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy« .Ireo olona nitady haningotra ny ainy ireo dia tsy iza fa ireo fianakaviany sy ny mpiara-monina taminy tao Anatota ka Jehovah no nahafantatra azy izany . Ny anton’izany dia noho ny fijoroany hilaza ny hafatra mazava avy amin’i Jehovah ami’ny maha-mpaminany azy .Marina ny ambaran’ny Soratra Masina hoe: « ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony » Mika 7.6 sy ny hoe : « Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany « (Mat 13.57).Ho antsika mpanompon’Andriamanira , efa nihatra tamin’ireo teo alohantsika izany fa aoka hatoky Azy hatrany isika .
2-Mahatonga ny fiandanian’Andriamanitra
Fanontaniana :
« Indro hovaliako izy ka ny zatovo ho fatin-tsabatra ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary » .Izany hoe: ho fatin-sabatra tanora avokoa ireo ary ho mahantran’ny tsy fisian-kanina ny zanany .Miandany amin’ny mpanompony mandrakariva Andriamanitra . Famaizana mangidy izany , kanefa izany no ho tonga amin’izay mifofo mpanompon’Andriamanitra raha mba mijoro amin’ny hanirahana azy izy .Mazana dia misedra ny fifofoana sy ankolaka toy izany ireo mpanompon’Andriamanitra ankehitriny , vaovao mahafaly ny mahafantatra izao ataon’Andriamanitra izao .
Mpanohana mpanompon’Andriamanitra ianao sa mpisompatra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM