Alatsinainy 09 Aogositra 2021 – Lio 5 : 27 – 32

by Mofon'Aina

 27Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

–Avia hiaraka amiko!

28Dia nitsangana i Levỳ namoy ny zavatra rehetra ary nandeha niaraka taminy.

29Avy eo ry i Jesoa dia nanaovan’i Levỳ fanasambe tao an-tranony, ka betsaka ny mpamory hetra sy ny olon-kafa no niara-nisakafo taminy sy ny mpianany. 30Nimonomonona ny Farisianina sy ireo mpahay lalàna mpomba azy ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe:

–Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

31Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 32Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota mba hialany amin’ny toetra ratsiny.

Publié dans Non classé

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro