1 SAMOELA 17.45-51
Ny olona mijoro amin’ny finoana
1-Manana fomba miavaka
« Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy fa izaho manatona anao amin’ny Anaran’i Jehovah Tompon’ny maro« (and45). Ny fiankinana tanteraka amin’ny Anaran’ny Tompo no mampiavaka ny tena mpanompony marina. Aoka isika tsy hiankina amin-javatra hafa fa maha-saropiaro ny Tompontsika izany . Tandremo ny miantehitra amin-javatra hita maso, na fahefana, na fitaovana, na vola aman-karena sanatria. Isika dia miankina amin’ny herin’Andriamanitra , amin’ny vavaka, amin’ny finoana.
2-Manana Andriamanitra miavaka
« mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Israely » (and 46d). Ny ady sarotra atrehan’i Davida mihitsy no nijoroany sy nanehoany fa manana Andriamanitra miavaka izy .Mampahatsiaro antsika ny tenin’i Jesoa hoe: « Tsy ho fahafatesana no anton’izao fa mba hampisehoana ny Voninahitr’Andriamanitra (Jao 11.4) .
3-Manana fandresena miavaka
« Ary nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny , dia vaky nandositra izy » (and51e) .Nihevitra ny Filistina fa ho moramora ny handresena ny Israely .Variana amin’ny hita maso araka ny fijerin’olombelona izy ireo .Ny olona mijoro amin’ny finoana dia tsy maintsy mandresy na ho ele na ho haingana . Efa nosantarin’i Jesoa io fandresena io , dia ny fandresena an’i satana sy ny forongony.Manamarika izany ny nandresena ny fasana , ny mosary,ny aretina ary ny herin’ny natiora . Mpandresy isika ao amin’ny Tompo.
Fanontaniana :
Lazao ireo mampiavaka ny olona mijoro amin’ny finoana .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM