Lioka 2.21-32
Rehefa tonga ny Tompo dia hanolotra ny fiadanany
Maro isika no miandrandra ny fiavian’ny Tompo satria fotoana andraisan’ny Tompo izay mino Azy izany. Andro fahoriana ho an’izay tsy mitoetra amin’ny finoana izany, fa androm-pifaliana kosa ho an’izay mitoetra tsara amin’ny finoana tahaka an’i Simeona, izay voalaza hoe: lehilahy marina sady mpivavaka tsara. Azo ambara fa fiadanana azo tsapain-tànana mihitsy no noraisiny satria nitrotro ny Zaza izy.
Tsy faty antoka araka izany ny fivavahana sy ny fitoerana amin’ny fahamarinana. Hampandeha amin’ny fiadanana manomboka amin’ny fandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy no fiaingana ho amin’ny làlam-piadanana. Aorian’ny fandraisantsika Azy no andehanantsika miaraka Aminy. Hisedra zavatra maro isika aorian’ny nandraisantsika Azy kanefa tsy ho irery isika fa Izy no homba antsika amin’izay alehantsika araka ny Teniny hoe : « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan ‘ny fahataperan’ izao tontolo izao.»
Fanontaniana :
Oviana ianao no nandray an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM