ASAN’NY APOSTOLY 6.1-7

Ny olona mampandroso ny Tenin’Andriamanitra

1-Mahay mizara andraikitra

« …mizahà fito lahy eo aminareo …mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany «  (and3)

Rehefa nisy nimonomonona ny Helenista noho izy ireo tsy heniky ny fiantrana dia nampiantso fivoriana ny Apostoly mba hitadiavana vaha-olana tamin’izany. Fanao tamin’izany ny mizara fanampiana ho an’ny mahantra isan-kerinandrto tao amin’ny Synagoga ary isanandro kosa tao amin’ny fiangonana.Rehefa tsy araky ny Apostoly izany dia nizara ny andraikitra tamin’ireo mpino izy ireo . Mahay mizara andraikitra eo amin’ny mpino tahaka azy ny mpitarika mahay. Amin’ny fotoana izay hahatsapana fa tsy araka intsony ny asa dia tokony hizara andraikitra amin’ny hafa .

2-Mifidy olona feno ny Fanahy Masina

« …izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena » (and3).Tsy ny olona rehetra akory dia azo izarana andraikitra avokoa fa misy ihany ny fepetra hita eto. Olona mahalala sy miaina ny fampianarana araka ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no hita eto.Sady mahavita ny andraikitra ampanaovina amin’ny fahamarinana eto no hita fa miaina ny voalazan’ny filazantsara ihany koa .Hita taratra amin’ny toetra sy ny fisainana ary ny asa ataoa ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona .Ary tokony hanaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra voafidy ka manaiky hanao ny asan’ny fiangonana.Ho anao, ataovy mendrika sy marina araka ny asan’ny Fanahy Masina ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana iandraketanao .

Fanontaniana:

Inona no endrika tsy fahamarinana mateti-pitranga eo amin’ny fiangonana misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM