Isaia 41. 8-13


Toky no omen’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny mofon’aina anio: «Aza matahotra». Nahoana moa no sahy milaza izany amintsika Izy? Ny valiny dia satria :
1- Tsy manary antsika Izy (and 9d)
«Mpanompoko ianao, efa nofidiako ka tsy mba nariako» hoy ny filazan’ny mpaminany azy eto. Maneho amintsika miharihary izany, fa Andriamanitra izay nitsonga antsika tao anatin’ny maro, efa nandray an-tanana ny fiainantsika, tsy vao izao ihany fa efa hatramin’ny lasa rehetra dia tia antsika. Io fitiavan’ Andriamanitra antsika io no mahatonga Azy manamafy fa tsy manary antsika Izy. Any am-pahababoana ny Jiosy no mahazo izao hafatra izao ho fampaherezana. Isika koa, ao anatin’ny sarotra lalovantsika, tsarovy fa tsy manary antsika ny Tompo.
2- Miandany amintsika Izy (and 10)
«Aza matahotra ianao fa momba anao Aho» hoy ihany ny Tompo eto. Ny hevitry ny teny hoe «momba» dia tsy hoe miara-mandeha fotsiny fa tena miandany mihitsy, azo lazaina mihitsy aza hoe miangatra , izany hoe: Andriamanitra dia manome tombondahiny ho an’ny olony ka manoloana ny sarotra atrehina, manoloana ny afitsoky ny fahavalo dia mirona amintsika ny Tompo ka hiady ho antsika, ary hampandresy antsika koa. Manamafy izany i Jesoa (Mat 28.20)
3- Miantoka ny ho avintsika Izy (and 13d)
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao» hoy ny Tompo. Mazava eto fa ny lasa efa noraisiny an-tanana, ny ankehitriny atrehiny ary ny ho avy efa ampanantenany sahady famonjena. Ny anjarantsika araka izany dia ny mametraka ny toky sy fanantenana Aminy.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona mbola be tebiteby sy tahotra ihany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.