Matio 19,1-9

Ny fanambadiana

1- Fiombonan’ny lahy sy vavy

«fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy» (and.4).

Noharian’Andriamanitra avy tamin’i Adama ny vehivavy. Midika izany fa ny mpivady dia avy tamin’ny vatana iray sy aina iray ary fanahy iray. Azon’Andriamanitra natao ny namorona an’i Eva tsy misy fifandraisana amin’i Adama. Mifameno ara-pahariana ireo. Toy izany ihany koa ny fanambadiana, araka ny hevitr’i Jesoa Kristy. Noho izany fifamatorana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy mpivady, araka ny nahariana azy hatrany amboalohany izany, no nahatonga an’i Jesoa Kristy mandà ny fisaraham-panambadiana. Ny fahatakaran’ny olona ny fisainana tao amin’Andriamanitra, Izay nahary ny fanambadiana dia mahatonga azy tsy hisara-panambadiana.
2- Fiombonana maharitra

«Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona»

(and.6). Voalaza tokoa fa nanome alalana ny fisaraham-panambadiana i Mosesy. Ny fisaraham-bady izay efa fanaon’ny firenena tranainy tamin’izany fotoana izany. Ny lalàn’i Mosey dia natao ho fitaizana tsikelikely ny Zanak’Israely hiala amin’izany ka hiaina ny fanambadiana araka ny tokony ho izy. Jesoa Kristy no tena nanome ny fomba fisainana ambony avy amin’Andriamanitra tokony hiainana ny fanambadiana, araka izao : Andriamanitra nampiombona ny lahy sy vavy tao amin’ny fanambadiana, tsy fifanarahana tsotra eo amin’ny samy olombelona ny fanambadiana, ka tsy mety ny misaraka.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba hisorohana ny fisaraham-panambadiana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM