(Sal 144.1-4 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476
Ezekiela 2.1-3.3
Antso ho amin’ny asa faminaniana.
1-Ny iraka anirahana an’i Ezekiela:
Amin’izao antso iantsoana ny mpaminany Ezekiela izao dia miverimberina ato amin’ny Soratra Masina ny teny hoe « zanak’olona », izay teny ilazana fa olombelona izy, na eo aza ny fahitana voarainy, ary io anarana io no iantsoana an’i Ezekiela. Manana ny iraka ampanaovina azy Andriamanitra, ka asainy mitsangana izy. « Tonga tamiko ny Fanahy ka nampijoro ahy tamin’ny tongotro (Eze 2.2). Tsy Ezekiela ihany no nantsoin’ Andriamanitra, fa isika rehetra koa. Asainy mba hitsangana sy hijoro ka hamita ny iraka ampanaovina antsika. Izy no maniraka antsika, tahaka ny nanirahany an’i Ezekiela eto. Andeha isika hanaiky izay anirahana antsika. Mandehana ka lazao amin’ny Fiangonana ny Teniny, na hihaino izy na tsia, ary aza mivadi-po, fa lazao aminy ny Tenin’i Jehovah.
2- Ny fampaherezana
Rariny tokoa raha misy ny fampaherezana satria masiaka ny tontolo hanaovana ny asa: voahodidina tsilo sy zava-manindrona, ary miaina eo anivon’ny maigoka. Hiatrika ny fanoherana avy amin’ny mpanohitra ny Tenin’Andriamanitra izy. Satria taranaka maditra no anirahana azy, zanaka mafy handrina sy madi-po. Ampaherezina ny mpanompon’ Andriamanitra, satria hanilika azy ny olona; Andriamanitra kosa no manome toky hoe: « Aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny » (and-6). Isika koa dia mety hisedra ny tranga toy izany eo amin’ny iraka anirahan’ny Tompo antsika. Mampahery antsika Izy, ka milaza hoe: « Aza matahotra hianao fa momba anao Aho » (Isa 41. 10).
Fanontaniana:
Inona avy ireo sakantsakana niseho teo amin’ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra nampitondraina anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires