Sal 125 / HF3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295

«Ary indro nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy amin ‘izany tany izany niantso… » (and.22) Ny hoe: «niantso », dia voambolana milaza ny hiakan’ny mila vonjy, na hiakan’ny olona miantso vonjeo! Antsoantso manahirana, mankarary sofina no nataony. Porofon’izany ny nanaovan’ny mpianatra hoe: Roahy izy fa miantso mafy ato aoriantsika! Mankarenin-tsofina !… Tsy natahotra izy, ary tsy azo norarana fa niantso mafy ary nila vonjy tamin’i Jesoa. Ny toy izany no mendrika ataontsika raha miorina amin’ny finoana isika. Aza miahotra, aza manaiky hofefena na rarana: Miantsoa vonjy Aminy rehefa tery am-panahy ianao.

«Mamindrà fo amiko Tompo Zanak’i Davida ô ! », hoy ilay vehivavy. Fantany tsara i Jesoa fa Mesia, Ilay tonga hamonjy izao tontolo izao. Mesia no ao an-tsaina rehefa ambara ny hoe zanak’i Davida. Nahalala tsara ny maha Mesia an’i Jesoa ravehivavy. Faritr’i Tyro sy Sidona no niavian’ity vehivavy ity, ary faritany miſanila amin’i Galilia faritanin’i Jesoa sy nanaovany asa mahagaga izany. Azo antoka fa efa nandre ny momba an’i Jesoa sy ny asan’i Jesoa ravehivavy. Ianao koa raha te hampitombo ny fahalalana an’i Jesoa dia miezaha mihaino ny nataony, ka mamakia Soratra Masina fa ao no milaza izany. Aza avela handalo fotsiny ny teny rehetra notorina sy ny filazana momba an’i Jesoa. Raha vitanao izany dia hitombo amin’ny fahalalana sy hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa ianao. Miezaha mamantatra ny momba Azy, eo ambany fitarihan’ny Fanahy rehefa mihaino toriteny sy fampianarana, na mamaky Soratra Masina. Izany no ezaka angatahina aminao.

Inona avy no fantatrao amin’ny maha Kristy an’i Jesoa?