Isaia 11.1-10

« Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese.. »

1- Iza no ambaran’ izany?

Ambaran’ny mpaminany fa hisy mpitondra mendrika tahaka an’i Davida mpanjaka, avy amin’ny taranany hiseho. Hevitra roa mifameno no ambaran’ izany: Ny voalohany dia manondro an’i Hezekia mpanjaka, taranak’i Davida izay nampiseho fahatokiana an’ Andriamanitra tanteraka teo amin’ny fitondrany, indrindra fa tamin’ ny fotoana nifanandrinany tamin’ny Asyriana (Isa 37.1 – 20): ny faharoa kosa dia manondro ny « Mesia« , satria ny teny hoe tsimoka‘ » dia azo ampifandraisina amin’ny hoe : « Nazareana’ » izay milaza an’i Jesoa avy any Nazareta. (Mat 2.23) Mifameno ireo hevitra roa ireo satria samy manambara fanirahan’ Andriamanitra mpanompo voafidiny hitondra famonjena ho an’ ny olona.

2- Inona no zavatra entiny?

Manana izay mampiavaka azy io Mpanjaka voafidin’Andriamanitra io, noho izy itoeran’ny Fanahin’i Jehovah . Voafaritra anatin’izany ireto: fahendrena sy fahazavan-tsaina, fahaizana mamolavola sy manatanteraka, fahalalana sy fanajana ary fahatahorana an’Andriamanitra (and.3). Ireo toe-panahy ireo no ahafahan’ny mpitondra mijoro amin’ny fahamarinana araka an’Andriamanitra, hahaizany mitsara araka ny rariny (and.4) sady antoky ny fiadanana sy fandrian-pahalemana. Asehon’ny mpaminany an-tsary izany ka mampitodika ny saina amin’ ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy: « Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin ny zanak’ondry… Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera… » (and. 6 -8). Izay rehetra mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy azy dia efa misantatra sahady izany fiadanana entin’ny Mesia izany. Fanontaniana:

Inona no asa miandry ny Fiangonana manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny fanjakan’ ny tsy rariny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM