1 PETERA 4.7-11

 Manoro  hevitra antsika ny Apostoly  Petera hoe: “Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra “ (and7) koa :

1-Hendre ka mahonona tena (and 7b)

 Anarin’I Petera  ny mino eto mba ho hendry , izany hoe: tsy hiverina amin’ny fanaranam-po intsony  fa “ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny Jentilisa tamin’ny nadehanana tamin’ny fijejojejoana  sy ny fanirian-dratsy  sy ny fimamoana ny sy filalaovan-dratsy  sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy  izay fady indrindra” (and3) .Ny  fahalalantsika fa ho avy  tsy ho ela I Jesoa   dia manery antsika  hiaina ny fahamasinana fa tsy hiverina  hivary lavo  amin’ny fahotana indray fa ny “kisoavavy efa  nisasa dia miverina mihosom-potaka indray” (2 Petera 2.22) ary koa” amin’izao sisa izao , aza manota intsony “ (Jao 5.14) hoy I Jesoa .

2- Mifankatiava tsara (and8)

Tsy hoe : mitiava tsara na koa hoe : miandrasa hotiavina  fa amin’ny endrika mifanao , izany hoe: ny mpino rehetra dia samy tokony hahay maneho fitiavana avy , tsy hifankahala fa izao tontolo izao  aza mahay miombona sy mifanampy  mainka fa ny Kristiana ? Baikon’I Jesoa  amintsika rahateo izany hoe : “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo” ( Jao 13.34) .Atsaharo  hatreo  ny fankahala sy ny forongony .

3-Mifanompoa (and10)

 “Araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo”.Midika izany fa na iza na iza  dia samy manana fanomezam-pahasoavana , tsy misy tsara sy ratsy ary tsy voatery, fa  ny zava-dehibe  dia izay ananana no entina mifanompo , tsy misy araka izany na iza na iza ka tokony hotompoina fotsiny .

Fanontaniana :

Tokony ho olona manao ahoana isika eo anatrehan’ny fahatomotry ny fiafaran’ny zavatra rehetra ?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM