EKSODOSY 20.18-26

Fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Mitondra ho amin’ny fahatahorana Azy (and19-20)

Niteraka tahotra teo amin’ny Zanak’Israely ny fanehoany an’Andriamanitra niteny , ary tahotry ny ho faty araka ny nambarany tamin’i Mosesy (and19). Ny faharatsian’ny olona sy ny loto ao am-pony no mahatonga ny olona hatahotra an’Andriamanitra , satria tsy misy mahatajanona eo Aminy noho ny fahotana ny olona . Mariky ny fahendrena ihany koa anefa izany, satria inona moa izay olona tsy mana-tahotra ? « Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena, fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankato izany «  (Sal 111.10)

2-Mitaona hiala amin’ny faharatsiana (and 23-24)

Ambaran’Andriamanitra fa ampy ho an’ny olona Izy eo amin’ny fiainana .Izay mivavaka Aminy dia efa ny fiainana manontolo no ahiany . Ary izany fitantanany izany dia sady tsy miova no maharitra araka ny teniny hoe : « Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho … Izaho no nanao , ka izaho ihany no hitrotro , eny Izaho no hitondra sy hanafaka  » (Isa 46.4) . Asain’Andriamanitra miala amin’ny andriamanitra volamena sy volafotsy ny olona eto , satria efa ampy ho azy Andriamanitra . Hoy ny hira iray hoe : Ampy ahy i Jesoa !

Fanontaniana :

Oviana no teraka tao aminao ny fahatahorana an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM