Asan ‘ny Apostoly 28. 1 – 10
Andriamanitra mpanafaka
1- Momba ny mpanompony
Paoly avy navezivezin’ny rivotra teny ambony sambo nandritra ny fotoana ela. Tonga teto amin’ity nosy kely atao hoe Melita ity. Tany aminy avokoa ny mason’ny olona satria mbola nokakerin’ny menarana ihany koa izy. Noheverin’ireo ho olon-dratsy moa izy manoloana izao zava-mitranga izao. Toy izany mandrakariva no manjo antsika. Rehefa tojo zava-tsarotra isika dia heverin’ny olona fa niala tamintsika ny Tànan’Andriamanitra. Ny Tompo efa niteny hoe: «Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany» (Jer 29,11)
2- Mamaly fitia izay mandray ny mpanompony
Marary maro no nentina teo anatrehan’i Paoly tamiın’izany nosy izany rehefa nanasitrana ny rain’i Poplio izy. Raha ny marina dřa tsy tokony handalo eo amin’izany nosy izany i Paoly fa noho ný fahavakisan’ny’ sarnbo nandehanany no nijanonany teo. Izay toerana andehanan’ ny dia mpanompon’ Andriamanitra itondran’ Andriarnanitra famonjena raha raisin’ny olona tsara ny mpanompony. Hoy i Paoly: «Miantrà ny olona masina araka izay ilainy , mazotoa mampiantrano vahiny» (Rom 12. 13). Jesoa no efa nanambara tamin’ireny irany ireny hoe: «lzay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray lzay naniraka Ahy» (Mat 10. 40)
Fanontaniana:
lza no mpanompon’Andriamanitra efa noraisinao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM