EKSODOSY 36.1-7

Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra

1-Mazoto amin’ny asan’Andriamanitra

« izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony hankeo amin’ny asa hanao azy » (and2)

Nanome baiko ny amin’ny hanaovana ny tranolay fihaonana an’i Mosesy sy ny fiangonana dia ny Zanak’Israely Jehovah .Nifidy an’i Bezalila sy Oholiaba ary nhy olo-kendry hitarika izany Andriamanitra .Nomena ny fahendrena sy fahazotoana avy amin’Andriamanitra ireo olona ireo hanao ny asa . Ny fahendrena sy ny fahazotoana avy amin’Andriamanitra dia mitarika ny olona hanao ny asany .Andriamanitra no mampazoto ny olona hanao ny asany .Izany no nahatonga an’i Jesoa tsy nitsahatra niasa ny asan’ny Ray satria nanana ny fahazotoana avy tamin’ny Ray . Mangataha fahazotoana avy amin’Andriamanitra dia hazoto hanao ny asany ianao.

2-Manao mihoatra noho izay andrasana aminy

« ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao « (and5)

Rehefa nandray ny fanomezana avy amin’ny vahoaka hanaovana ny asa i Bezalila sy Oholiba ary ny olo-kendry rehetra , dia nahita fa nihoatra noho ny fitaovana ilaina no naterin’ny olona .Ary Mosesy aza nandidy ny olona tsy hanatitra fitaovana hanaovana ny fitoerana masina intsony .Fahendrena avy amin’Andriamanitra no mahatonga ny olona hazoto hanome mihoatra noho izay ilaina hanaovana ny asan’Andriamanitra .Ary izany no ilazan’i Jesoa Kristy fa ny mpino dia afaka manao asa lehibe mihoatra noho izay efa nataon’i Jesoa aza .Angataho ny fahendren’Andfriamanitra mba hahafahanao miasa mihoatra noho izay tokony hataonao .

Fanontaniana:

Inona no fandrisika mitarika anao hanao ny asan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM