25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.